DIY : felt flowers

Fomba fanamboara haingo-mbolo vita amin’ny felt.

 Mianaraba anao zay mamaky ity blog ity, efa manimanitra fety ny Xmas sy faran taona izao ka izay indrindra no nanaovako anity tutorial ity izahay mampiseho ny nanaovako anireto voninkazo ireto.

Maro ny azo ampiasina anireo voninkazo ireo fa hampisehoako eto amin’ity tutorial ity dia fanaovana anilay pins . Misy sary koa ery ambany zay nanaovako ilay ankajo ilay client keliko.

Sary volohany . mampiseho ireo zavatra ilaina.

Felt 2 samy hafa (ny maintso zahy ho ravina sy tahony  ary lay vony kosa hetezana ho boribory ho felan ‘ilay voninkazo miisa 8)

Glue gun (na lakoly mety aminy lamba,afaka mampiasa E6000 koa enao)

Pins (alligators ) 2 ,(afaka atao anireny antsoitsika oe chouchou ireny koa ireo ,na sert tete koa mety)

picsart_12-08-09-56-58

Sary faha:2  Apetraka amin ilay boribory ilay ravina aloha ka ampiasaina ny ilay glue gun mba hipetahany.

Sary faha 3-4 Aforotra ilay felana voninkazo ka asina lakoly mba hipetahany

picsart_12-08-10-02-41

Sary faha 5: Aforotra tahaka amin io sary io

Sary faha 6:  vitaina daholo izy rehetra mba hampalaky ny fanaovana azy

Sary faha 7: apetaka eo ambony ilay lafika izay misy ravina aloha ilay 2 volohany mba hahamora fanaovana azy

Sary faha 8: avy eo dia tohizana amin’ny famitana ilay 2 manaraka

picsart_12-08-10-06-25

Sary faha 9: apetaka lakoly hikamba ilay 2 sisa farany ,ary asiana lakoly eo afovoany ilay 4 teo aloha ,ka mba hampipetraka tsara azy ireo dia anetezana kely ilay voninkazo 2 izay hapetraka eo afovoany ilay efatra.

Sary faha 10: apetraka eo afovoany ilay felana voninkazo ka tazomina ela ela mandrapaha maina ilay lakoly

Sary faha 11: apetaka amin’ny alalany lakaoly eo ambony ilay pins ilay tahony ilay voninkazo

Sary faha 12: avadika ilay voninkazo ka apetaka tsara eo ambony ilay tahony (pins voafono ) ilay voninkazo ,ka tazomina ela ela mandrapahamaina tsara ilay lakoly. Zay de vita!

picsart_12-08-10-10-12

Toy izao ilay haingo haingo-mbolo refa refa vita

picsart_12-11-11-45-47

Manambotra karany hafa indray aho fa toa nahafinaritra ery manambotra azy ireo. Tsara ery!

picsart_12-11-12-27-00

Fomba iray nampiasaiko ilay voninkazo.

Misaotsa anareo zay namaky ny lahatsoratra androany dia mirary ny soa indrindra hoantsika rehetra. Mba zarao ny sary refa mba manantanteraka anio enao.

Hiezaka hampiseho tutorial iray alohan ny nifarana taona ity.

Misaotsa Tompoko.

Lisy

DIY :headband

FOMBA FANAOVANA FEHILOHA na “bandeau’

Akory !

Mafana moa amin’zay ny andro dia tsara raha mba asina zavatra maveraka loko ny volo no sady atao any aorina mba tsy hamparitaka azy any aloha. Ka nambotra “DIY bandeau na headband” aho dia nalaiko sary ireo dingana rehetra nanaovako azy tato atrano. Ka ireto ny dingana nanaovako .

Tsy dia misy refy manokana fa de nataoko anjoanjo teo ireo refy fa refy refa vita dia 100 cm (1 metra) x 10 cm

Ity ny fanazavana :

picsart_11-23-05-16-21
1- ireo ny zavatra ilaina lamba (lamba sy elastic dia miakina amin’ny haben izay tianao)

2- zairio ireo lamba ireo (io tsipika mainty no anjairana azy)

3 -ilay lamba kely izay hanakona anilay elastique dia zairo mitovy amin’ilay elastique ny habe ilay zairina.(jereo ilay sary)

4- avadiho ny rehtra refa vita zaitra (tsara tsara koa raha pasohina e!)

5- zairo amin’ny tendrony lay lamba anakiro ny elastic (toy ny eo amin’ny sary)

6- mampiseho ny fomba hananjairana azy

picsart_11-23-05-18-01
7- ataovy matanjaka ny zaitra ka zigzag no ataovy miveriberina na ataovy zaitra tsotra fa averibereno

8-Ampidirio eo tandrify eo amin’ilay nozairina teo ilay lamba hanakonana ilay etalstic.

9- takono ilay elastic

10- ka aforeto ilay sisiny ka zairo

Zay de vita!

img_20161122_1546012

Aza hadino ny mizara ny sary  ao amin’ny  Facebook page  refa mba mahavita na nanontany raha misy tsy azo o!

Mirary andro mahafinaritra

Lisy.

How to gather a fabric

FOMBA FANAOVANA KETRONA AMIN’NY LAMBA

Salama e!

Eto ambany eto dia hamnpiseho anareo fomba fanaovako “gather na fronce ” refa manjaitra jupe ,na lohatanana ankajo na koa rudeau.

Alohany hanaovana “fronce na gather” dia tsimaintsy regle amin’ilay zaitra be dingana indrindra ny machine ,izany oe ovaina ny tension. Tsy ilay tension mahazatra refa manjaitra no ampiasaina fa ovaina arakaraka izay voalaza ao amin’ny boky fanjaitra.

Ny ahy dia Elna explore 240 ny machine ampiasaiko izay novidiko tao amin’ny  Art of sewing ka toy izay ilay tokony ho paozin’ny tension refa ovaina ho be digana ny zaitra.

picsart_11-18-01-04-11

Ny tokony ho paozin’ny Elna explore 240 refa hanao “fronce na gather”

Ito ny sary izay nalaiko nandritra ny nanjairako io jupo kely io. Ka hazavaiko araka ny sary ilay izy.

picsart_11-17-01-26-40

1- manjaitra  zaitra roa izay mifanelanela sahabo eo 0.50cm ma 0.70m eo ka avy aty amin’ny lafy tsarany no anaovana azy.

2- Sarah mba miavaka tsara ilay kofehy roa ambony sy ilay kofehy roa ambany

3- sotony moramora ilay kofehy ambany fa ny ambony kosa aza sotonina. TANDREMO: ny manintona ilay ambony sy ilay ambany miaraka satria mikantso io raha vao sotonina miaraka.

4- savasavaho tsara ireo “fronce na gather” azo ka hapipetrapetraka ilay ketrona tiana hoazo. Aza hadino mihitsiny ny manintona moramora anilay kofehy.

5- Mampiseho ny tokony ho paozin’ny ilay “fronce na gather” azo . Tadidio fa miakina amin haben’ny lamba ampiasaina no hazahoana ketrona maro na ketrona mahalana.

Lay sary faha-6 kosa dia mampiseho ilay jupe izay namboariko vao tsy ela akory izay.

Ireo fanazavana ireo dia ny ahy manokana fa samy manana fahaizany sy fanaovany azy ny tsirairay.

Misaotsa anao hatrany mamaky ny blogko.

Amin’ny maraka indray oe!

Lisy.

 

DIY :Baby shower handmade gift

Akory aby.

Iray volana lasa teo aho nanomjy baby shower ka aleoko nambotra zavatra manokana hoan’ilay zaza lahy. Maha-zaza lahy anilay zaza dia manga sy maintso mantsatso ay fotsy no nosafidiako hampiasaina. Manomboka amin’ny ny anarany ilay zaza ka izay mahatonga ahy hisafidy anilay “M” . Sambako nambotra zavatra hoan’ zaza izany. Reto daholo zavatra namboariko ,nanomboka tamin’ilay bodokely ka hany ka nitantra hatrany tamin’ilay elephant satria nisy ambiny ilay lamba. Nitombo an-dalana teny lay fanomezana.

Reto daholo ary reo fanomezana namboariko hoan’i M kely.

PicsArt_07-06-04.10.20

Bodofotsy kely  double face zay misy fanombohany anarany “M” (double side baby  minky blanket with initial name “M” . Minky sy folanela ny lamba nampiasaiko.

PicsArt_07-11-08.21.27

Elephant kely izay nasiko zavatra maneno ao anatiny  mba handrotsirotsiana zaza (Baby toy Elephant)

PicsArt_07-11-08.18.47

Tatinivy (baby bib) sy lamba famaohana (baby burp cloth)

PicsArt_07-11-08.25.15

Baby taggie miaraka fanombohany anarany “M”

PicsArt_06-17-10.46.36

Zay ndray ny androny ka nametraka ny veloma. Afaka mi-commentaire eo ambany nareo ,azona arahina ao Facebook sy Instagram .

Veloma vetivety e!

MadebyLyswithlove

 

Pretty Girls Sew :RAE 2016

Akory aby.

Aleoko ataoko amin’ny teny malagasy ny resaka androny satria mba te-hanoratra amin’ny teny Malagasy aho,mazava hoazy fa ny lohateny dia anjanoko aminy teny vahiny. Androany aho dia hizara aminareo reo sary 7 zay mampiseho ireo akanjo 7 izay nozariko taminy fifaninana iraisam-pirenena izay nataoko nandritra ilay fifaninana “Rippin’Ain’t Easy 2016 ” izay no karakara iny “Pretty Girls Sew” .Nisy 9 vavy izahay tamin’ny voalohany ka isakin’ny 2 herindro dia misy iray miala,aminy alalany fifidianana ka iza ambany isa no miala. Izaho dia tafakatra hatrany aminy dinga faha-7 na “grande finale” .Nony nivaly ny fifidianana farany dia raraka aho ,ka izaho no “2 runner up”. Nahafinaritra ny lalao satria dia lasa nitombo ny traikefa nananako nandritra ilay fifaninana no sady nahita olona maro nahafinaritra koa aho. Ny mpikarakara ny lalao kosa moa dia nahay mifandray tsara taminay ,izay mpifaninana koa dia toy izany ihany koa.

Fisaorana lehibe no atolotro hoany Pretty Girl SewTeams nanome ahy ny anjaratoerana nandray anjara taminy ilay fifaninana. Isaorana  indrindra ianareo rehetra izay nanohana ahy taminy alalany fifidianana,sy taminy fandefasanareo hafatra miafina mankahery. Isaorana koa izay nanohana ahy nefa tsy haiko. Isaora koa ireo mpanaraka ahy rehetra ao Instagram-ko. Isaorana koa ny mpaka sary ahy.

Misaotra indrindra Tompoko.

Ireto ambany ireto ny sary zay nalefako taminy fifaninana miisa 7 izay nataoko. Izaho daholo manjaitra anio e! (Kevokevoka ery !)

Challenge 1: Dress that impressed

2

2 nd Challenge : Military inspired jumpsuit

4

3th challenge : Memo office black and white

5

4thhallenge  : All things Ankara

8

Challenge 5 : evening romantic : Lace dress

PicsArt_05-04-10.55.18

6th Challenge   : Unconventional anything fabric

received_1712213185714505

7th challenge  : Gowns dress : Grand Finale :the 70th annual Tony award.

13415437_1720944061508084_686838978283485003_o

Am-pitiavana be.

Lisy.

RAE : that dress impressed

My sewing competition “RIPPIN’AINT’EASY SECOND ANNUEL 2016

28 February 2016 : RAE CHALLENGE ROUND 1 : dresses that impressed using vogue7999

RAE_challenge1

This is my submission for that first challenge, I used was African print and crepe de chine. I made it in to the next challenge.

2

Thanks for everyone for supporting me .

Lisy