DIY :headband

FOMBA FANAOVANA FEHILOHA na “bandeau’

Akory !

Mafana moa amin’zay ny andro dia tsara raha mba asina zavatra maveraka loko ny volo no sady atao any aorina mba tsy hamparitaka azy any aloha. Ka nambotra “DIY bandeau na headband” aho dia nalaiko sary ireo dingana rehetra nanaovako azy tato atrano. Ka ireto ny dingana nanaovako .

Tsy dia misy refy manokana fa de nataoko anjoanjo teo ireo refy fa refy refa vita dia 100 cm (1 metra) x 10 cm

Ity ny fanazavana :

picsart_11-23-05-16-21
1- ireo ny zavatra ilaina lamba (lamba sy elastic dia miakina amin’ny haben izay tianao)

2- zairio ireo lamba ireo (io tsipika mainty no anjairana azy)

3 -ilay lamba kely izay hanakona anilay elastique dia zairo mitovy amin’ilay elastique ny habe ilay zairina.(jereo ilay sary)

4- avadiho ny rehtra refa vita zaitra (tsara tsara koa raha pasohina e!)

5- zairo amin’ny tendrony lay lamba anakiro ny elastic (toy ny eo amin’ny sary)

6- mampiseho ny fomba hananjairana azy

picsart_11-23-05-18-01
7- ataovy matanjaka ny zaitra ka zigzag no ataovy miveriberina na ataovy zaitra tsotra fa averibereno

8-Ampidirio eo tandrify eo amin’ilay nozairina teo ilay lamba hanakonana ilay etalstic.

9- takono ilay elastic

10- ka aforeto ilay sisiny ka zairo

Zay de vita!

img_20161122_1546012

Aza hadino ny mizara ny sary  ao amin’ny  Facebook page  refa mba mahavita na nanontany raha misy tsy azo o!

Mirary andro mahafinaritra

Lisy.

Advertisements

How to gather a fabric

FOMBA FANAOVANA KETRONA AMIN’NY LAMBA

Salama e!

Eto ambany eto dia hamnpiseho anareo fomba fanaovako “gather na fronce ” refa manjaitra jupe ,na lohatanana ankajo na koa rudeau.

Alohany hanaovana “fronce na gather” dia tsimaintsy regle amin’ilay zaitra be dingana indrindra ny machine ,izany oe ovaina ny tension. Tsy ilay tension mahazatra refa manjaitra no ampiasaina fa ovaina arakaraka izay voalaza ao amin’ny boky fanjaitra.

Ny ahy dia Elna explore 240 ny machine ampiasaiko izay novidiko tao amin’ny  Art of sewing ka toy izay ilay tokony ho paozin’ny tension refa ovaina ho be digana ny zaitra.

picsart_11-18-01-04-11

Ny tokony ho paozin’ny Elna explore 240 refa hanao “fronce na gather”

Ito ny sary izay nalaiko nandritra ny nanjairako io jupo kely io. Ka hazavaiko araka ny sary ilay izy.

picsart_11-17-01-26-40

1- manjaitra  zaitra roa izay mifanelanela sahabo eo 0.50cm ma 0.70m eo ka avy aty amin’ny lafy tsarany no anaovana azy.

2- Sarah mba miavaka tsara ilay kofehy roa ambony sy ilay kofehy roa ambany

3- sotony moramora ilay kofehy ambany fa ny ambony kosa aza sotonina. TANDREMO: ny manintona ilay ambony sy ilay ambany miaraka satria mikantso io raha vao sotonina miaraka.

4- savasavaho tsara ireo “fronce na gather” azo ka hapipetrapetraka ilay ketrona tiana hoazo. Aza hadino mihitsiny ny manintona moramora anilay kofehy.

5- Mampiseho ny tokony ho paozin’ny ilay “fronce na gather” azo . Tadidio fa miakina amin haben’ny lamba ampiasaina no hazahoana ketrona maro na ketrona mahalana.

Lay sary faha-6 kosa dia mampiseho ilay jupe izay namboariko vao tsy ela akory izay.

Ireo fanazavana ireo dia ny ahy manokana fa samy manana fahaizany sy fanaovany azy ny tsirairay.

Misaotsa anao hatrany mamaky ny blogko.

Amin’ny maraka indray oe!

Lisy.