DIY : felt flowers

Fomba fanamboara haingo-mbolo vita amin’ny felt.

 Mianaraba anao zay mamaky ity blog ity, efa manimanitra fety ny Xmas sy faran taona izao ka izay indrindra no nanaovako anity tutorial ity izahay mampiseho ny nanaovako anireto voninkazo ireto.

Maro ny azo ampiasina anireo voninkazo ireo fa hampisehoako eto amin’ity tutorial ity dia fanaovana anilay pins . Misy sary koa ery ambany zay nanaovako ilay ankajo ilay client keliko.

Sary volohany . mampiseho ireo zavatra ilaina.

Felt 2 samy hafa (ny maintso zahy ho ravina sy tahony  ary lay vony kosa hetezana ho boribory ho felan ‘ilay voninkazo miisa 8)

Glue gun (na lakoly mety aminy lamba,afaka mampiasa E6000 koa enao)

Pins (alligators ) 2 ,(afaka atao anireny antsoitsika oe chouchou ireny koa ireo ,na sert tete koa mety)

picsart_12-08-09-56-58

Sary faha:2  Apetraka amin ilay boribory ilay ravina aloha ka ampiasaina ny ilay glue gun mba hipetahany.

Sary faha 3-4 Aforotra ilay felana voninkazo ka asina lakoly mba hipetahany

picsart_12-08-10-02-41

Sary faha 5: Aforotra tahaka amin io sary io

Sary faha 6:  vitaina daholo izy rehetra mba hampalaky ny fanaovana azy

Sary faha 7: apetaka eo ambony ilay lafika izay misy ravina aloha ilay 2 volohany mba hahamora fanaovana azy

Sary faha 8: avy eo dia tohizana amin’ny famitana ilay 2 manaraka

picsart_12-08-10-06-25

Sary faha 9: apetaka lakoly hikamba ilay 2 sisa farany ,ary asiana lakoly eo afovoany ilay 4 teo aloha ,ka mba hampipetraka tsara azy ireo dia anetezana kely ilay voninkazo 2 izay hapetraka eo afovoany ilay efatra.

Sary faha 10: apetraka eo afovoany ilay felana voninkazo ka tazomina ela ela mandrapaha maina ilay lakoly

Sary faha 11: apetaka amin’ny alalany lakaoly eo ambony ilay pins ilay tahony ilay voninkazo

Sary faha 12: avadika ilay voninkazo ka apetaka tsara eo ambony ilay tahony (pins voafono ) ilay voninkazo ,ka tazomina ela ela mandrapahamaina tsara ilay lakoly. Zay de vita!

picsart_12-08-10-10-12

Toy izao ilay haingo haingo-mbolo refa refa vita

picsart_12-11-11-45-47

Manambotra karany hafa indray aho fa toa nahafinaritra ery manambotra azy ireo. Tsara ery!

picsart_12-11-12-27-00

Fomba iray nampiasaiko ilay voninkazo.

Misaotsa anareo zay namaky ny lahatsoratra androany dia mirary ny soa indrindra hoantsika rehetra. Mba zarao ny sary refa mba manantanteraka anio enao.

Hiezaka hampiseho tutorial iray alohan ny nifarana taona ity.

Misaotsa Tompoko.

Lisy

Advertisements

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out /  Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out /  Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out /  Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out /  Change )

Connecting to %s